<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Nahafoy ny aiko Aho FFPM109</title>
<lyrics>[V1]
 Nahafoy ny aiko Aho,
 Hanavotako anao,
 Ka nalatsako ny rako,
 Nisoloako anao ;
 He ! ny aiko no nomeko,
 Ry mpanota very e !
 Aiza izay afoinao re,
 Mba ho Ahy Tomponao ?

[V2]
 Lapan-dRaiko ao ambony,
 Voninahi-dehibe,
 No nilaozako hamonjy
 Sy hanafa-doza anao,
 'Zay voafitak'i Satana
 Sy nozoin-doza be !
 Aiza izay afoinao re,
 Mba ho Ahy Tomponao ?

[V3]
 Soa be sy mahagaga
 No atolotro anao ;
 Famonjena tsy vidina,
 Famelana otanao.
 Fitiavan-tsy voafetra
 Lova ao an-danitra ao !
 Aiza izay afoinao re,
 Mba ho Ahy Tomponao ?

[V4]
 Indro, Tompo ! fa omeko
 Ho Anao ny tenako,
 Ka tsy misy 'zay tsy foiko
 'Zay rehetra tianao !
 Eso, latsa, tsy ahoako
 Fa ny ho mpanomponao
 No ho zavatra kendreko,
 Raiso re ny zanakao !</lyrics>
<hymn_number>109</hymn_number>
<author>C.C. Williams</author>
</song>